Misaotra Anao Jehovah Ray Tsitoha (Elysé Azrael)
Mbola tsisy niantsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Misaotra Anao Jehovah Ray Tsitoha,Ray be indrafo sy be fitia tokoa,
Ny fitiavanao tsy manam-paharoa
No nanavotanao anay ho olonao
Fa ny fahasoavanao no nahatoy izao anay,
Ka misaotra Anao, mankasitraka,
Ka ny fiainanay atolotray ho Anao
Hiderana Anao, sy hanompoana Anao
Hatrizay dia nivezivezy aho:
Variana nilalao, tsy nahatsiaro Anao,
Kinanjo ankehitriny tsapako tokoa
F'ireny rehetra ireny tsy nisy nahasoa
--------
Rohy:
Sokajy :
Vavaka - Aingam-panahy
Mpakafy:
Azrael666
