Ampidiro aloha ny tenimiafina
Olona iray ihany teto ambony tany (Elysé Azrael)
Mbola tsisy niantsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Olona iray ihanyTeto ambony tany
No niteny ahy teny mamy
Satria tena tia ahy:
...Ianao izany!!!
Olona iray ihany
Teto ambony tany
No nitia ahy tamin'ny fony,
Nefa tsy ho hitako intsony:
...Ianao izany!!!
Olona iray ihany
Teto ambony tany
Nahay nampiara-peo tamiko
Tamin'ireo hira mamiko:
...Ianao izany!!!
Olona iray ihany
Eto ambony tany
No afaka mamerina indray ny hasambarako
Sy afaka mameno ny pejy faran'ny tantarako:
...Ianao izany!!!
--------
Rohy:
Mpakafy:
Azrael666
