SAMBATRA MANGINA... (Elysé Azrael)
Mbola tsisy niantsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Sambatra mangina, mametsovetso anatyMahatsapa tena tiana: fitia tsy mety maty,
Mahatsiaro manonofy, mijaly mahafinaritra
Tempo hafahafa, maha vonona hiaritra!
Sambatra mangina, ho sambatra hatrany,
Na dia tsy eto ianao fa mbola any ho any,
Ho sambatra aho, hahatsapa ny tenako ho sambatra,
Na dia kisendrasendra no antenaina hanambatra
Sambatra mangina anaty hirahiran'ny alina,
Sambatra mangina fa mifangia lalina,
Sambatra tsy hitan'ny tia jerijery,
Sambatra mangina isika fa irery
--------
Rohy:
Sokajy :
Fitiavana
Mpakafy:
MAZ RAMANA - Azrael666
