FITIA TSY ANJARA (ernest2015)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
FITIA TSY ANJARA

Izao vao tena tsapako ry tiko
fa mila avadibadika im-pito
ity lela vao milaza,
milaza ny faniriko

Hay izaho 'lay tsy nisaina
fa tany aminao nantenaina
ka raha vao trotraky ny aina
izao vao be taraina

Hitaraina any amin'iza moa
raha izaho izao rahavako?
raha tsy any aminao
ireo namako sy ireo havako?

Hay ianao 'lay tsy azo itokisana
kanefa nametrahako voady
ianao tompon'ny laklé injay
no toa namaha ilay vavahady

Ka nampiditr'olon-kafa
fa ny tenako voafafa
ka malahelo izany foko
raha mieritreritra ny lasa

Hay ianao ilay notiaviko
kanefa sahy namitaka
namitaka ny hoaviko
hoaviko mamiratra

Ka miangavy anao ry piso
mamelĂ  raha izaho no diso
fa na nisy hadisoana izany tsy fanahiniako
fa ny hiara-dia aminao no faniriko

Kay ianao ilay notiaviko
no sahy namitaka ny aiko
voafitaka avokoa,
eny!ny foko sy ny saiko

Koa atao ahoana moa?
f'izay no lahatra sy anjara
safidy antsitra-po
ilay: "FITIA TSY ANAJRA"

Ernest vohanson
11/02/2016
--------
Rohy:
6544 4
Hevitra mandeha
katrynah ( 10/12/2019 13:41)
zay no lahatra mangina ny foko mandreh fa tsy tia ahy izy de manaiky sisa ny azo atzo
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0142