IARETAKO HATRANY Iaretako (ernest2015)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
IARETAKO HATRANY
Iaretako hatrany
Ireo tenimafinao, ka nampijaly ahy
Ireo disadisa lava, nampitomany ahy
Ireo adiady fanaonao matetika
Ka manimba ny eritreritra…

Iaretako hatrany
Ny fodinao alina isan'andro lava izao
Ny sotro-tokanao sy filam-banona tsotra izao
Ny kasin-tananao izay mandratra ny vatako
Ny totohondry mafinao ka mamaky ny vavakO

Iaretako satria…
Raha hody aho dia ho aiza?
Lavitra ny Ray aman-dreny,
Izaho tsy mba manana sakaiza
Ka afaka ny hirenirenY

Iaretako hatrany
Ka na ho mangidy na ho mamy
Ny fiainako eto antany
Ianao no efa nekeko
Ka aleo iaretako eto


Iaretako hatrany
Ireo ditraditranao
Na any ambadika na eto imasoko
No mitondra sipa ianao

Iaretako satria…
Efa ianao no Rain-janako
Ka na ho mafy na ho mora
Tsy ho ravaiko ny tokan-tranoko

Iaretako hatrany
Satria ianao no ajarako
Ka na any aoriana any
Ny fahendrenao no adrasako

Iaretako eto foana…
Na mankarary ny aina,
Mankarary ny aiko.
Matoa aho mitaraina
Efa be ireo ka tsy tantiko.

Ernest vohanson
28 Mars 2016
--------
Rohy:
Sokajy : Alahelo - fiainana - Fitiavana
1822 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0098