Ny fiainana eto an-tany (Fanomezantsoa Lcv)
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Mandalo sy miseranaNy fiainana eto an-tany
Ka mbĂ mailo hatrany
Feno fitapitaka
Sy feno velam-pandrika
Ka sao ianao voafandrika
Aza dia variana
Sy sodokan-drendrarendra
Fa tandremo re ny tena
Dia sahia mijoro
Ho fitaratry ny ampitso
Ho fahazavana hatrany
Handeha am-pahamarinana
Dia ho hitanao ny tambiny
Fa fiainan-tsambatra aok'izany
Hiaina am-pitoniana
Tsy amin'ahiahy
Fa ho feno fifaliana
--------
Rohy:
Sokajy :
fiainana
Mpakafy:
FanomezantsuLcv
Hametraka hevitra
Midira alohaMomba ny tononkalo
Mpanoratra : Fanomezantsoa LcvNampiditra : FanomezantsuLcv
Daty : 19/07/2019 09:40