Indray mamanton'alina (Rary Nofy)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
INDRAY MAMANTON'ALINA
Hendratr'endratra ny fo;
Mibanjina ny alina;
Fa feno zava-tsoa lalina
Mandravaka ny tontolo.

Toa feno hazavana;
Midorehitra,manjopiaka;
Mitaratra ny lalana
Izay efa kaon-driaka.

Ny kintana mitaratra;
Ny volana mibaliaka;
Zary hazavana sy fitaratra;
Hanazava ny dian-tsika.

Mangina ny tontolo
Ireo horakoraka tsy mba re
Ilay hikahika toa nisolo...
Fahanginana lalina be.

Gorogoro ny manodidina;
Fa ny fanahy no toa misidina
Hanatratra ny eny ambony;
Ka hahita sambon-dabitra toy itony.
Maharavo.A
--------
Rohy:
650 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.022