Tsy hay hadinoina (Rary Nofy)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
TSY HAY HADINOINA

Mbola tsaroako,tadidiko foana aky,ilay tantara fahiny,
Na dia navalona ho lasa,ho lo,aza tsy voatana mihitsy,
Mitraotra dia mitraotra,manempoka ny aty fanahy,
Eny eh!,tsy foafoana ato an-tsaina,fa vao miha-miseho ho tsiahy,ka mampararirary ahy
Ilay isika vao nianatra tao an-tsekoly,
Tsy nifankahalala,tsy nifampiresaka,tsy nifampitafa,
Fa ny masontsika fotsiny,no nabaribary,nabanjina an-tery,dia nifampijerijery;
Dia avy eo aho nihenahena,tsy mba naha-jery,fa niondrika irery;
Ny masonao baliaka,nipitrapitr'irery fa tsy nisy mba nijery,
Ny molotrao mitsiky,ilay tavanao sariaka ,toa tiako ho ahy irery,
Kanefa...tsy vitako eny izany,izany hikaotikaoty,
Fa nangina samirery,nangata-maso dia,nitsiriritra fotsiny.
Dia nitohy re ny tantara,nitohy,nitohy hatrany
Tsy zakako ny banjiny,dia naleoko manontany
"Misy mipetraka ve eto akaikinao sa tsia,any?
Raha tsy misy mantsy eny izany,dia aleoko izaho no hikisak'eny!"
Dia lasa avy eo nifindra,nivadika toerana,
Ny seza koa tamin'izany,tsy misy tompon-toerana,tsy azo noferana,
Dia gaga erÿ i Madama,nahita ahy teo anilanao,
Nanambara izy hoe:hianatra ve isika sa hilalao?
Dia taitra ihany ianao,naheno izany teniny,
Sadaikatra koa ny foko,taitra,heveriko fa izaho mantsy no noteneniny,
Dia nivandravandra erÿ,ny masoko tamin'izany,
Nijery ilay masony,mandinika ahy hatrany.
Miverina indray aky,ilay tantara fahizay ah!,
Ilay tantarantsika roa,ilay tany an-tsekoly
Ilay isika niara-nipetraka,dia nifandefa taratasy,
Tsy nijanona niampita,fa kobon'ny iray kilasy.
Dia nampiresaka aho,tsy nijanona niteny,
Nitabataba foana,nikimokimo!nanao toy ireny fanaoko ireny,
Dia nampangininao avy eo,dia nangina tsy niteny,
Vao namaly anao aho,dia naneno ny sirenina;
Dia nirava indray isika.
Nandeha teny ny andro,nandroso koa ny volana,
Nifankahazo ihany,ny tia sy ny tiana
Dia lasa tsy adinoko,ny miandry anao vao miditra,
Eny!manantena mantsy,ny hofihinina sy horohana;
Miverina indray aky,ilay tantara fahizay ah!,
Ilay tantara tena tiako,mifono anatra modely,
Dia ilay fitiavantsika nafenina,ombieny,ombieny;
Kanefa ankehitriny,eny!,tena tanteraka izy ireny.
--------
Rohy:
1526 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0175