TSISY TSINY (felandefona)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Tsy mba omeko tsiny
Ny foko raha toa ka ory
Tsy fananiany tsy akory
Fa noho ilay fitiavako iny

Tsy omeko tsiny ihany koa
Ary tsy ataoko mahagaga
Ny ranomasoko raha toa
Ka mikoriana lalandava
Tsy fananiany sanatria
Fa noho ilay foko tena tia

Tsy omeko tsiny velively koa ianao
Raha toa ka efa tofoka sy lao
Satria mandalo ny fiainana
Ka mila saintsainana
Ary atao ahoana koa moa ny hiafy
Amin’olon’ory sy ratsy

N.A.F

« Sitrakao ny fijaliako asanao…maminao ny fifaliako mbola asanao ihany koa…
--------
Rohy:
Sokajy : Alahelo - Fitiavana
3878 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0138