Fitia hafakely (fenohasimpitia)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Sahirana ny saina, tohina ny fo
Namaky ilay tononkalonao, vao maraina vao mifoha
Tononkalo tena kanto, voarafitra manokana
Tsy natao ho an'olo-maro, fa ho an'ny olona voatokana

Tononkalo tena mamy, tsy afaka ao am-bava!
Tsy hangidy mandra-maty, ny alahelo koa hisava
Ny fahoriana rehetra, ho tonga fifaliana
Rehefa injao miventso, ilay tononkalo tena tiana

Ho raketiko an-tsoratra, ho tehiriziko ato anaty
'Lay vetsovetsom-ponao, mila hamono ahafaty
Manohina ny ati-fo, mila ahalasa adala
Malaelo anao ny foko, te ho eo anilanao MALALA.

Sambatra aho, raha to ny faniriako
Dia ny ho eo anilanao, satria enao ilay tena tiko
Tsy am-bava fotsiny, fa tena avy ato anaty
Fitia tena Feno, fa tsy sanatria poak'aty.

Tiko ianao, nefa olona tsy fantatra
Fa an-tsoratra fotsiny, sady mbola ankamantatra
Tsy haiko oe anahoana, ny fihaonatsika any aoriana
Enga anie ka samy ho faly, ifanatrika ilay TIANA.


FEN'S!!!
--------
Rohy:
2506 1
Mpakafy: LyrainaJha
Hevitra mandeha
LyrainaJha ( 07/10/2016 07:53)
izaho koa tia anao ry ilay olona tsy fantatro!huhu
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : fenohasimpitia
Nampiditra : fenohasimpitia
Daty : 07/10/2016 04:09
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.014