fitiavana mandringa (fitiariela)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
fotoana fohy ihany no nahitako anao
fohy nefa kosa namela fahatsiarovana
fotoana namelona fitiavam-baovao
fa nahafaty kosa fitia nampivarahontsna

tsy mba afaka hilaza mivantana aminao
ny ato am-poko rehetra sy ny fitiavako aho
ka izany no antony handraisako ny peniko
hanoratako ny faniriako mba ho raketiko

tia anao mantsy aho, tena babo tokoa
ka misoka ato anaty sy mitempo ao am-po
'lay fitiavako anao 'zay toy ny maraina
ka saro-bonoina sy kosehina ao an-tsaina

mbola banga ihany anefa izany fitiavana izany
raha tsy ny fotsika roa no mikambana ho iray ihany
ka na dia mbola tsy fantatro aza ny ao am-ponao ankehitriny
dia mino aho fa tsy maintsy mbola ho tafaray ihany any aoriana

ka raha ho avy ny andro ahatanterahan'izany
ho toa inona ny hafaliako raha hoy ianao manontany:
"tia ahy ve ianao, tena tia, tia marina
ka mendrika ho ahy mba ho ampakarina?"

dia ho valiako amin'ny endrika feno tsiky
fa "tena tia anao aho" ary ny fitaka dia tsy misy
tsy misy maharombaka raha toa ka misy maka
satria tsy am-bava fotsiny fa tena latsa-paka

nefa moa izany mbola nofinofy ihany
ka ny saiko mandinika ary ny foko manontany
moa ve ianao any mba mahatsiaro ahy
ka ny fonao ontsa, misento, manahy?

sa kosa ve tsy misaina ahy akory
fa tovovavy hafa no mampiari-tory?
sa kosa tena tsy tia ahy mihintsy
ka ny fitiavana ahy toa foana sy tsy misy?

nefa na izany aza, manantena foana aho
fa mbola ho avy 'lay fotoana hitantanako anao
ary amin'izay dia ho feno ny hafaliako
satria tsy aiza intsony fa eo anilan'ilay olon-tiako
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
1943 0
Hevitra mandeha
petakoel ( 14/01/2009 08:51)
marary zan tia nefa ts tiana e! nefa oz za oe courage foana fa ndraindray "les rêves se réalisent" fitiariela=petakoel
katiaa ( 14/01/2009 10:24)
Mankasitra hatrany Petakoel aa, marary tokoa araky ny lazainao ny hoe tia nefa tsy tiana, nefa inona moa no azonao atao afa tsy ny manaiky hoe efa izay no natao ho anao? Ahhh ny zavatra azonao atao kay dia ny manalefaka araka izay azo atao n ratram-ponao. Kourazy ee fa na izany aza hoy ny fitenenana aza atao ambony loatra ny fanantenana. 😊
petakoel ( 14/01/2009 11:08)
za lo ts nanantena mits e.efa adinoko mits na ny endrik io olon io aza ra nifanena zahay 1 an taty aorina; nefa 4 an taorinan'ny nanoratako an io d tateraka arak io tononkalo io mits ny zavatra rehetra. efa fiancé zay zao ar mifakati B mits. nefa mo ts ilaozan n blem kel fôn le amour d raisinay oe sedra-pitia le iz e.vakio le "fitiavana nifoha" d azava koko n tantara
NB:zay no matonga an le anarako oe fitiariela (2003) fitiariela=petakoel
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : fitiariela
Nampiditra : petakoel
Daty : 14/01/2009 08:42
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0199