Hankafia (HASINIONY)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
HANKAFIA !

Hankafia no fiononana
Amerako ity foko adala
Nitia fa saingy notakonana
Ianao ninia tsy nahalala
Nivehitra ahy ho toy ny aloka

Hankafia no hany hery
Azoko mba amikirana
Leon’ny fangalapery
Taminao mpandika vilana
Ilay fitiavako ho nofy

Saingy izaho anefa mino
Fa azo atao ny manadino
Kalo mosarena rotsy ...!
--------
Rohy:
1328 1
Mpakafy: henika
Hevitra mandeha
vetsoko ( 12/12/2004 00:23)
tsy dia tsara ry se ny miforitra anaty a!sa ahoana hoy ise
Malalason ( 04/07/2005 11:29)
raha tsy diso za efa namoaka boky i Hasinony mba hitondray aho na dia takila iray ihany aza

Malalason
hasiniony ( 11/12/2005 06:50)
mankasitra an'i Malalason alo @ fankafizana ny sombiny ... aza matahotra fa hivoaka ny boky @ 2006 raha sitrapon'Andriamanitra.
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : HASINIONY
Nampiditra : hasiniony
Daty : 24/07/2004 11:44
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0251