Ampidiro aloha ny tenimiafina
LOKON'NY FITIA (HASINIONY)
Mbola tsisy niantsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
LOKON'NY FITIAAnihoany misy fo
Maroloko ny fitiavany
Ifandrombahana tokoa
Ny hitohoka ny vavany!
Misy kosa tsy izay
Tokam-po ohatry ny siny
Fa mbola misy maka indray
Ilay hany tokana mba tiany!
Ny ahy kosa hatramin'izao
Tsy mba irony manodoka
Fa natokako ho anao...
Vita voady, vita loka!
--------
Rohy:
Sokajy :
Fitiavana
Mpakafy:
hasiniony
