Fiononana (HASINIONY)
Mbola tsisy niantsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Azonao atao ny minia tsy mahalalaNa doria na ho minitra?
Ireo nofinofy adala
Nifandonan'ny fo-tsika!
Niantsoanao ahy hoe "Malala"
Hay angano honohono
Azo avadika ho hala...
Azonao azera ny rindrimben'ny fitiavako
Ivimbino latsalatsa tsy misy hoe nahoana?
Dia tsangano saina fotsy izay rehetra sahan'adiko
Mba ahafahako misaona!
Azonao atao ny mandoro diam-penina
Dia soloy ireo hirantsika,
Sy ireo tsiambaratelo itolomanao afenina
Nandalorako ny foko, ...heverinao fa tsy voadika!
...hiezaka aho hanadino ny disadisa toy itony
Mba hisaina izay ho anjarako!
MandrobonĂ , mandrobonĂ ry aviavy tsy namony
Hialofan'ny tantarako.
--------
Rohy:
Sokajy :
Fiononana
Mpakafy:
Arimalala
Hevitra mandeha
RAILOVY
(
10/10/2006 12:25)
tsy misy ambara afa tsy ny fankasitrahana akia hasiniony a, tena tiko be ny aingam-panahinao. tohizo foana. RAILOVY