Adala ? (Heriarilala Andriamamonjy)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
ADALA ?

Adala ve ny olona ka sa tsy sahy mijoro amin’ny hevitra tinapaka ?
Minia manala tena dia tsy menatra milaza fa olona solafaka
Lazaina fa hadisoana koa niniana nirobohana, nahoana no natao
Angaha tsy tsara fidy ilay lalana nizorana raha ny fijerinao ?

Toa olo-nisafidy hanoritra ny hoavy no mihemotra amin’ny lasa ?
Sa manadala tena, tsy mahafoy ny ditra ka hanimba ny kinasa.
Lazaina ny “taloha” no tena hoe tsy nety nefa haranina indray ?
Dia tsy miaina ny ankehitriny fa mandia mianotra mankamin'ny fahizay.

Adala ve ny olona no mbola hanonofy ny homenao fiadanana
Tsy misy azo ajoro fa tsy maintsy arodana hatramin’ny finamanana
Raha nitsinjo soatoavina, tsy tokony ho sahy ninia nanota fady
Ny any re tiavina, fa ny aty efa nikosoka ny dina sy voady.

Lehilahy ka sahy ! Kanosa anefa hoy aho.
Nahoana no niahotra sy manana ahiahy.
Ny aty ho’aho tsy haninona fa manohy ny dia hatrany.
Ny aty koa tsara taiza, tsy misotasota izany.

18/11/2021 Heriarilala Andriamamonjy
--------
Rohy:
Sokajy : Fiainana
10 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0118