Jio (Heriarilala Andriamamonjy)
Mbola tsisy niantsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
JIOJio enin-dahy no tsy nihafahafa
Niseho ho tena sahy, tsy mba nisaron-tava
Nandroba tsenakely, nanambam-basy koa
Tena natoky hery, nampivadi-po.
Indreo fa nikoropaka ny teo akaiky rehetra
Tsy nisy sahy nihoraka fa nijery dia nitsetra
Ranomaso havozona ny an'ireo voa
Angamba nisy ozona sy ompa anakampo.
Fa miharatsy loatra ny fiainana etoana
Izay olona mivoatra no ezahina vonoina,
potehina, robaina izay rehetra nisasarany
enjehina, ankahalaina, lotoina koa ny anarany.
Jio enin-dahy no nahazo an-tapitrisa
Homan-tsy manahy amin'ilay kely hita
Tsy ampy iray avy manko fa efatra no tao
Moa tsy efa lany sahady raha nomena i Patirao ?
Heriarilala 02/08/26 21:58
--------
Rohy:
Sokajy :
Fiainana
Hametraka hevitra
Midira alohaMomba ny tononkalo
Mpanoratra : Heriarilala AndriamamonjyNampiditra : iheriarilala
Daty : 14/08/2026 01:47
