Tsy hampivesatra alahelo (Heriarilala Andriamamonjy)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Tsy hampivesatra alahelo

Nisy maso tsy nitovy tanaty fifandraisantsika
Nisy jery samihafa nila hamboly disadisa
Nisy tranga tsy nazava nahadiso tombantombana
ka nitsara tsy an-kihamba ilay fo samy torovana.

Na izaho na ianao dia nitompo teny hay
nisy marinao nafenina nambarako ho tena izay,
nisy momba ahy tsy naborako nefa ianao niseho nahalala
ka sorena aho fa tsy voako nony reko ilay tantara.

Tsy hanameloka fahatany aho fa nisy andro koa mba diso
aleo mamela anao androany fa handia ny lalanao rahampitso !
Ianao tsy nanimba fihavanana na nisy saina nifandimpatra
ka irariako fiadanana fa efa tsy eto an-tanim-pitaka.

Nisy toetranao nahasarika tanaty fiombonantsika,
ireny ho tsiaro mahafinaritra, handray anao ny paradisa,
tsy hampivesatra alahelo aho amin'ny lalanao tsy akaiky,
avelako ho tsiambaratelo izay tsy nazava, izaho manaiky.

Heriarilala Andriamamonjy, 28/09/25 1:46
--------
Rohy:
Sokajy : Fahafatesana
18 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0118