Tsy naman'izay mihemotra (Heriarilala Andriamamonjy)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
TSY NAMAN'IZAY MIHEMOTRA

Tsy maintsy hoe mandroso
fa tsy mahazo mikoroso,
tsy ekena ny mijotso
na dia eo ny mpampandotso.

Tsy maintsy hoe manonga
sitrany ny ahay mba tonga
amin'ny dihy omban'amponga,
mila ezaka mafonja !

Tsy naman'ny mihemotra,
mifoha fa tsy mierotra
aoka tsy hisy hanepoka
ka hiasa tsy hifetoka

Tsy maintsy hoe mandroso
rehefa vonona tsy hioko,
tsy hanao fisainam-boto
dia hanonga tsy hijotso.

Heriarilala 01/02/24 21:18
--------
Rohy:
Sokajy : Fiainana
42 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0116