'ZAY (Ilo NANAHARY )

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
'zay

Mararirary kely ny miaina samirery
raha vao nilaozanao
Dia latsa-dranomaso

Fa zava-misy ireny,
Fiaina-tsotr'izao
Fiaina-be ankaso...

Ekena hoe nandao,
ny tiana sady tia
Fa tsy afaka manohatra

F'izao fiainana eto izao?
Mety hamingana ny dia
Handingana any ankoatra

F'hianao tsy afaka handà...

F'izany rehetra izany ny fiainana eto an-tany e!
Meteza hianao hiaina ny zava-misy androany

F'izany ilay miaina...

F'izy ho rava nofo,
F'hianao hitomany
Hifendrofendro farany

Kanefa na izany,
Sarotra hadinoina izay mety ho tantarany
Indrindra fa ny anarany

Ka herezonao ny fo...

NANAHARY ilo

Jona 2020
--------
Rohy:
30 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Ilo NANAHARY
Nampiditra : ilonanahary
Daty : 30/06/2026 11:53
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0113