Raozy (JERY)
Mbola tsisy niantsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
RaozyIny raozy mena iny,ifanoloran'ny mpifankatia
Moa inona tokoa re no tena mba antony?
Afaka ny hiteny ve na hitsiky sanatria?
Ka hisoka-bolo mena hanapitra ny ao anatiny
Moa iny dia efa ampy hatokisan'olo-tiana?
Ary halalana fa tena tiany izato ianao
Ilay mora mandazo,tsy very tany hitsiriana
Feno azy daholo izao tontolo rehetra izao
Iny raozy iny ve odi-fitia tena mandaitra?
Ka izay hanolorana azy dia mihoraka sy taitra
Dia manjary mora fo vao mahita ny hatsarany
Fa iny raozy iny kosa tsy ho ela dia hanjavona
Nefa kosa dia mideza ny tany mbola hodiavina
Dia ilay fitia madio no ezaho hitombo hatrany
Jery
RAKOTOMALALA Tsiriniaina Landry
--------
Rohy:
Sokajy :
Aingam-panahy - Fitiavana
Mpakafy:
landryjery