TSIKY (KOLESY)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Raha tsiky mialin-taona, tokony hifoha
Nefa dia sakanan’ny hambo diso toetra
Tentezin-taniravo mikiry ny tsy hikoa
Nefa nofo ihany, no sady misy fetra

Mba tara-bao-marainan’ny hiratrao mjery
Ka nahoana iky, no asalobon-tsaona
Ve ka misy ihany ilay tsiky tsy an-tery...
Ireo fendrofendronao? hidio antaranoana !!

Tanatin’ny efa godran’ny kijan’oran-dohataona
Tanaty mahamain’ny hotraky ny ady...
Nefa tsy navelan’ny tsiky mba ho moana
Ka nahoana indray no ho resy indray sahady ?

Na gadra koa na rofy, na jaly na tomany
Na havana nandao, na mamy zary ngidy
Ny fery sy ny ditra, mbola itsikio hatrany
Hanolatra ny ratra, hanjary ny efa nihidy.

Raha toa tsiky hatrany no entinao miaina
Ho sitran-tsy miody izay mampiferin’aina.

KOLESY
--------
Rohy:
Sokajy : Aingam-panahy - fiainana
1216 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : KOLESY
Nampiditra : kolesy
Daty : 20/08/2010 16:33
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0137