ILAY TENA NAMANAO (LAVENONA)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
ILAY TENA NAMANAO

Vava nifanaiky ny antsika tamin'izany hoe...
na tsy tafara-dalana aza... hinamana eny foana !
niray ny ankihikely dia niara-nitomany
"tsy anio no ora farany, tsy maintsy mbola hihaona!"
...hoy ny rediredintsika !

Toy ny andro nibaliaka izay namafa ranomaso...
ilay feonao nibitsika sy nampahery hatrany
"eto foana foana izaho raha sendra tojo ankaso an!
Mpinamana isika roa manomboka androany "
...hoy ianao niteny !

Toa nofy nefa ireny...amin'izao fotoana izao !
Satria... iny no ora farany nihaonantsika roa !
Erintaona izay no lasa ,tsy nahenoam-baovao...
tsy fantatra hoe nankaiza ilay sakaizako taloha fa...
...angamba nanadino !

Sarotra ny hino, raha mijery ny tantara
Ny teny rahateo tsy mety very fa mitoetra ka...
na aza ianao niova dia ataovy an-tsaina tsara fa...
ny atao hoe tena namana mitia tsy misy fetra
...ary koa tsy mila tambiny !

Dia anjaranao ny ambiny ry namako tsy foiko!
Fa ny teo tsy mihofo raha toa tsy fantatrao
Ka raha mbola atao hoe andro ka mahatsiaro anao foko
dia mivavaka no ataoko...,mivavaka ho anao !

Lavenona
16/04/25
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
210 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0127