IZA...? (LAVENONA)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
IZA...?

Iza no miharitra ny eso sy ny olana
raha sanatria mandositra ny lehilahy kanosa ?
Ary iza no milanja ny kibo sivy volana
mizaka hirifiry sy adin-tsaina mihavosa...
raha izay no zava-misy ?

Iza no nibaby sy nampianatra namindra
mikarakara hatrany fa tsy mba mitaraina
ka seriny dia seriny sy tena faly indrindra
raha mianatra miteny ny menaky ny ainy ?

Iza no mifoha maraina manasa lamban-jaza
tsy mba mihaingitraingitra fa tena amin'ny fony
ary mbola tsy matory koa mandritry ny alina aza...
satria mandrotsirotsy ilay tokana tsy foiny ?

Iza...?

Iza no mipopopopo mitady fanafody
raha sanatria marary ny zanaka malalany
Ary koa miasa saina rehefa alim-pody
na sendra tratra hariva noho ny ditra ilay adalany ?

Dia iza no mijaly sy mandrotsaka tomany
tsy tapaka mamangy sy manaiky hikarakaraka
raha miditra hopitaly na... sanatrian'izany hoe...
voatana any am-ponja ...ny dimby sy ny fara ?

Iza ilay tsy sasatra mivavaka iny foana
ka mametraka amin'ny Tompo ny tolona sedrainy
mandohalika tsy tapaka ary mahafoy fotoana...
mba ho an'ny ankohonany ary koa ny sombiniainy?

Iza...?

Iza no mitsiky amin'ny andro fifaliana
raha tahiny ka tafita ilay zaza notezainy ?
Ary iza no misento koa raha tojo fahoriana
ka nisy fahavoazana ilay hany nandraindrainy ?

Izy ilay miavaka ka mendrika hajaina
Izy no ambarako aminao mamaky io ?
Baraingo no apetrako raha azonao an-tsaina
iza no anarany ? iza...? mba valio !

Lavenona
20/05/25
--------
Rohy:
171 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0135