Ho an\'iza ny foko ! (Lebota)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Ho an\'iza ny foko !
Toa tsapako izao fa ratsy tokoa
ity mampirafy misandoka fo,
toa tsapako tery tsy ahafahako miaina
ity zava-bitako mahavery saina

Tao ry Audine nisantatra izany
Fa tsy naharitra, niserana ihany.
Dia tonga ry Vero, ry Ange, Dina
Fa volana vitsy dia lasa tsy tiana.

Tao ry Yvette ry Fanja sy Lidy
Indray notiavina nizaka mangidy
...Toa tsy ampy kanefa fa nitady olon-kafa
Dia niditra an-tsehatra i kala Herinjaka

Nisy ary moa mpirahavavy
Nampiarahiko an-trano ho toy ny vady.
Tao ry Antsa sy i Gladys
Izay tena tiako kanefa indrisy...!

Dia tahak\'izany ito fo toa lolo
Te hahazo izay hita ho azy daholo...
Dia ry Olga, ry Anja, ry Voahangy
Tsy fitiavana matotra fa toa sangisangy.

Tao ry Alys, i Rose sy Hanta...i Mamy
Toa samy nitia namikitra ihany
Saingy ity foko efa zatra mipasy
Ka dia niaraka indray t@ Pasy.

Dia indro nipoitra i Gérance kely
Sy i Sido izay zanak\'anjely
Kanefa aho tsy taitra fa natsipiko ihany
Toa siligôma narora am-tany.

Tsy vitan\'ireo fa nisy vaovao
Saingy tsy holazaiko fa aleo amizao.
...Aleo é ry \'reto hofaranako hatreo
Sao sanatria misy \"namana\" ireo
Ka hahita ny anarany voasoratra ato
Dia ho avy ny enjika sy ny tora-bato...

Saingy izao : misy ankiray no tena mba tiako
Ary izy mihintsy no \'ndeha ho fidiko
Ho taolan-tehezako ho mandrakizay
Dia ilay Malala Ranto-ko izay !

Ho azy ny foko !

Lebota.
--------
Rohy:
2263 1
Mpakafy: Arimalala
Hevitra mandeha
hery ( 14/05/2004 08:05)
Kiiii,
Gravy leisy elah lebota. Fa tena sûr ve elah fa tsy nisy adino?
Sao dia ampiana kely ny lisitra?
Oully ( 14/05/2004 09:56)
I Landy toa tsy voantonana :) sa moa iza? Ts'isy hevitra mihitsy ity namantsika iray ity ry Hery an. Bizz any amin'i Ranto zany eh
Rija ( 14/05/2004 14:28)
Toa tsy tononkalo angamba no filaza an'izao fa poésie sa ?
Clarys ( 14/05/2004 18:28)
Ouf misy tsy notanisaina tokoa letsy ry Hery satria mbola mafana ka sao...Tanisao hoe raha misy mbola tadidin'ialahy ka tokony atao ato! misaotra ry oully fa tsy izy irery anie no adino é ! Anontanio an'i Hery hi hi hi hi
Mety ho poésie tokoa letsy ity ry Rija fa na izany na tsy izany dé...aingam-panahy io. Merci.
hery ( 15/05/2004 21:20)
Nahazo alalana :)
Nivo, Landy, Lanto, Hanitra, Mbolatiana... tsss maro loatra
Karajia ( 18/05/2004 09:28)
tsara iany raha tonga saina élà, dia hendre tsara amin'izay an !
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Lebota
Nampiditra : Clarys
Daty : 14/05/2004 06:43
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.014