« AHOANA...? » (MAZ RAMANA)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Ataon'ny maso ahoana ny tsy hikimpy kely?
...hivavaka mangina amin'iny minitra iny?
Rehefa injao mifofo somary hirifiry...
...izany rivotra hariva, mandalo alan-kininina,
...amin'ny volan'ny ririnina?

Hataon'ny fo ahoana no tsy ho ngolingoly,
Na tsy hahatsiaro intsony izay tantara lasa aza,
...ny saina efa tony?
Rehefa sendra injany, avy any ambadika any,
Manako moramora, misintona vinany,
...ilay hiram-pahazazana, firedondry lerony?

Iza moa no mahalala ireo sento tsy tononina?
...ranomaso tsy mba sahy nalatsaka, nangonina?
Ireo hovitry ny molotra, tsy nety tafavoaka?
Ilay pejy norovitina, tsy nisy vakiraoka...?

Rehefa injao mandriaka ny rano tsy hita maso,
Mpamonto ny eritreritra,
Hataon'ny saina ahoana no tsy hiato kely,
...hitady an'Andriamanitra?
Hoviana moa ny hatoka, no tsy ho volivoly,
...ka hahatraka kely,
...Hiandrandra anao ry lanitra?


20/08/2026
18h13
--------
Rohy:
15 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0118