RAMBON-DANITRA (MAZ RAMANA)
Mbola tsisy niantsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Mitataho, manjombonjombona,Toa hiraraka maharitra... iny volon-danitra iny,
Velon-tsento aho, lasa lavitra…
Mietry moramora, mivoara-menamena,
Mifanjohizohy... mianandrefandrefana any...
Rambon-danitra mivanditra...
Rovitin'ny hetraketraka,
Ny foko feno ota, sy... iny habakabaka iny...
Manday mitsela-baratra!
Ianareo sy ny fisainako,
Oh!... ry Lakan-jejo... ery analonalon-ndrano!
No mitovy, tsisy valaka!
Roritin'ito rivotra mitsoka misendaotra,
Rano tsy hita maso, no injao mipololotra,
Mamonto ny eritreritra!
Lasan-davitra ny diako,
Kanefa ianao, ry Tany,
...iandrianan'ny fanahiko,
No tadiavin'ny fijeriko!
Injao mipatrapatraka,
Manambana hikotroka!
Miantraika anaty tratrako.
Ambiroa manalokaloka,
Toa satriko ho tsidihina...
Mitantara avy any ankoatra,
...ny hasambarako namihina...
...ny voninkazo moana, sy rahona nisaona...
Notrotroin'ny ny havoana,
Nitsiky tamin'ny rivotra sy ny hazo mihofahofa,
Fa ireny no sakaizako! Tsy fantatro hoe nahoana!
Namelona ny sentoko sy ireo nofinofy,
Feon-drano nikoriana, taratra masoandro mody,
Ary kintana manify, toy ny olona mitsiky,
Tamin'ny androm-pahazazana.
Heeee! izany anie ka mamy!
Nalahelohelo foana, nihazo an'iny lalana iny!
Hoe "raha ho avy ny fotoana tsy hahitako anao intsony...?
Ka tsy ny ahitrao, sy vovoky ny avelo intsony
...no hitantana ny tongotro,
No hiankinan'ny lohako, niondanako natory!
Fa itony...
...Zava-baovao tsy hotononiko eto...Itony! :-)
Eny eh! Fa sambatra aho,
Mbola mahatsapa sy mandre ny feonao!
Ry fahatsapana hafahafa,Toa mararirary ihany,
Fahatsiarovana miserana, mifamadibadika!
Rehefa mitataho, miha-manjombonjombona,
...iny volon-danitra iny,
Velon-tsento aho, lasa lavitra…
14/09/2026
09H22
--------
Rohy:
