TOERAKO NINDRAMINY (MAZ RAMANA)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Tianao be ve izy, nefa izaho tsy foinao koa?
’Lay rafiko, hoy ianao...tsy tompony?...Mpamerin-doha?
Nefa ny faharatsiana eto amiko, rehefa ianao tonga any,
No ambetin-dresakao...no rediredinao hatrany,
Hiomehezanareo koa...ireo fahatsiarovako mangina, ilay nambaboako anao...
Androany aloha! Avy any ianao nanaram-po!
Saingy...nahoana moa?
...no mbola sombiny amin'ny hambo tehiriziko ato ampoko?
...no entinao indray mampifalifaly azy?...nofinofy nokoloiko?
Mangotika ny fo! Izany aloha tsy afenina.
Ny tena efa namoy izay rehetra mety ho nenina, mba hanompoana anao...
Nefa izaho foana ve no natao hiala nenina?
Hiady ho an'ny fiverenan'ny hainga anatinao?

Ny any hoy ianao, tsy tena izy, fa lalao…
Fa kilalaontsika, fony mbola tia ianao,
Fony aho mbola nankafy… fony mbola tiako ianao!
Ka mbola nataoko ho MASINA sy mbola tsy nihotsaka
...ny faritra voaloton'ny rendrarendranao!
Ka mbola tsy voagadran'ny fahafinaretana,
...tany antany fanjakan'ilay Mpanjaka vaovao...
Ilay hany vain'afo nidorehitra nandravaka ity tokatrano ity!
Fony mbola ahy ianao!
Saingy, ny amin'izao...Isaky ny Alarobia...
...hany sisa hafanana ao anatin'ny fonao...
Rehefa ho tara fodiana aho, noho ilay asa kely an-tselika, mba fanampiako anao!
Raha fotoana kosa aloha, izy manana kokoa...
Satria ny ho avin-JANAKAO'zao ny ahy no hamakiako loha...
Nefa ny foko na dia vy, mba mety ho harafesina
Fa mafy izany hoe tia...kanefa ampirafesina.

Tahotry ny ho votsi-droa?
Sa ny marina kokoa...?
Tianao averina aminy ireo andro rehetra mamy efa nivalona taloha...?
Izay rehetra nosoratako no tantarainao aminy...ankafizinareo Koa?
Ireo hirako sy tsiky, rotsirotsy teto an-tsoroko...
Alainareo tahaka izay vitako : Hifoha...?
Tsy Mialona aho akory eh, tsy ho saropiaro moa!
Satria ny mamiko rehetra no nindraminareo roa...
Raha mbola samy vehivavy, mandehana mba ho hitako,
Hatokisako ny foko, fa tsy hahavita ny efa vitako!

Raha ho rava ny eto androany, dia aza gaga rahampitso,
Fa hanjopiaka mihoatra ito bongo'masoko ito,
Indray mitsela-baratra no hitomaniako,
Sy hanorenako indray, izay rehetra tsy ho mendrika NA HOAVIANA na hoviana,
...an'ilay : Saika olontiako!
Inona ihany koa moa izay mba ho aminareo?
...fa toerako nindraminy, fahasambarako no teo,
Ary tsy ho alaiko an-keriny raha sanatria tsy averiny...
Fa ENTO ambongadiny, miaraka amin'ny ditrany,
Dia...Inty ny enta-keliny...



14/08/2026 : 13h57
Aingampanahy avy amin'ny hiran'i Rossy : TOERAKO NINDRAMINY
Anjaramalala Ramanamanjato
--------
Lien:
29 1
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0114