Io raozy io (Miangaly Teny)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)

​Nitsimoka ilay raozy ao an-jaridaina
​Madera tsara loko rehefa injay namelana
​Mena manintona ka lasa tiako halaina
​Nefa tsy tiako halazo indray ny felany

​Tena ilaiko ity izy handravaka ny tranoko
​Nefa mety haratrain'ireo tsilo ny tanako
​Sady hatahorako tsy haharitra ela
​Ity lokony misarika mena dia mena

​Mitsiriritra fotsiny izato hankatonao
​No ataoko fa ianao tsy ho azo halaina
Ka ​mitondrà re ianao hatsarana vaovao!
​Hahalafatra hatrany ilay zaridaina
--------
Rohy:
Sokajy : Aingam-panahy
581 1
Mpakafy: 0109
Hevitra mandeha
hery ( 23/04/2022 11:08)
Teny ilaiko sa hoe Tena ilaiko?
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Miangaly Teny
Nampiditra : 0109
Daty : 22/04/2022 13:13
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0138