AIZA NIZANAKO (Miarantsoa Anicet)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
AIZA NIZANAKO?


Ny zanako?

Namoizako zavatra maro,
Namonoko ny olon-drehetra,
'lay nandaozako ny hatanorako,
Ilay nofo 'zay avy amin'ny rako.

Ilay zanako , sombin'ny aina.
Tiako loatra ka tiako ampihantaina.
Tiako ho akaiky ,tsy lavitra ahy...
Ila-nofo na sila-panahy.

De...fitiavana hafa tanteraka
No nitiavako anao fony teraka.
Fitiavana tsy ampitoviana
Am'fitiavan'ny tia sy ny tiana.

Tena adala aho nandositra anao,
Mbola zaza ka te hilalao?
Tiako loatra anefa ny zanako
Ka ...Atakaloko anao ny fananako.

MIARANTSOA ANICET
--------
Rohy:
1908 1
Hevitra mandeha
nnn1 ( 29/11/2010 09:14)
eny e! tsara anw rhf mahatsapa ny hadisoana vitanao d ataov antra @ sisa zany fa az averin tson
fa ty tany ty nge boribory e! ary misy ftoanany ny zava-drehetra fa aza kivy!
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.015