Ampidiro aloha ny tenimiafina
Fiverenana (Miarantsoa Anicet)
Mbola tsisy niantsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
FIVERENANAFiry kilometatra miala ao Babylona 'Lay Tany vaovao?
Firy taona avy eto dia ho tonga indray Ianao ?
Mbola lavitra ihany ve sa efa akaikikaiky?
Mbola betsaka ihany manko izahay no mitaraiky.
Betsaka dia batsaka ny mitady hiverin- dalana.
Kivy tena kivy sy mitsiky mahalankalana,
Tsy maharitra fiandrasana fa tena resin- tory.
Raha misy ny ohatra izany dia tsy hovonjena akory.
Fa hovonjena kosa izay maharitra amin' ny farany;
Izay maharitra manaraka dia voasoratra ny anarany.
Voasoratra any an- danitra, amin' ny bokin' ny Fiainana.
Ho hadinony avokoa..... ireo jaly , fitarainana .
Ka valisoa lehibe no indro fa homena :
Dia satro-boninahitra izay tena volamena.
Lamba soa mangatsaka, voahaiso-pahalotoana
Tsy maintsy ho tonga izany rehefa tonga ny hafitoana!
MIARANTSOA ANICET
--------
Rohy:
Mpakafy:
Arimalala - Miarantsoa
Hevitra mandeha
vetsoko
(
29/12/2004 19:48)
mirary antsika rehetra noho izany aharitra h@ farany araka ny tononkalon'i Miarantsoa
