Ampidiro aloha ny tenimiafina
MALAHELO NY ZANAKO AHO IZANY (Miarantsoa Anicet)
Mbola tsisy niantsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
MALAHELO NY ZANAKO AHO IZANYMalahelo ny zanako aho izany.
Malahelo an'ilay tokana an-tany.
Malahelo ny andro rehetra,
Sy ny alina mampanjoretra.
Raha mba teto anilako e ianao,
Mba nisangy sy be kilalao.
Saingy... Any ianao manena,
Izaho aty... Tia tena.
Malahelo ny zanako aho izany,
Any izy izay mitomany,
Any izay ianao sy i Neny,
Mievinenvina raha iny aho miteny.
Malahelo ny zanako mihintsy aho,
Alahelo tsy mitsitsitsitsy,
Izay atao mampanembona anao,
Izay tsy atao mampanembona anao
MIARANTSOA ANICET
--------
Rohy:
Mpakafy:
Miarantsoa
