NY ZAZA MADITRA MAMPIJALY NY RENINY (Miarantsoa Anicet)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
NY ZAZA MADITRA MAMPIJALY NY RENINY

Neny a ! Fetinao anio.
Fetinao madiodio,
Tsy itambarana amin’ny hafa.
Fa fetinao manokana.

Noho izany indrindra ,
Aleo aho mba handrindra
Ny fiainantsika mianaka;
Mitonia ianao fa lanaka.

Aloe aho mba hipetraka
Amin’ny toeranao anio.
Aloe aho mba hivesatra
Alahelo sy tadio.

Aleo mba hofafako
Hatrany an-dakozia,
Aleo koa hosasako
Ny sotro sy lovia.

Ajanony koa ny lamba
Malotonao rehetra,
Hatsaka koa angamba,
Hipasoka aho rehefa.

Aloe aho mba hanao
Ireo fanaonao isan’andro.
Anio manko fetinao
Ry tokana Masoandro.

Te mba hampifaly
Na dia indray andro monja .
Kanjo mampijaly,
Tsy zakako, toa fonja,
Ny toeranao ry Neny.

Anarinao mangina
Ireo be be famaliana,
I Dada mamolava …
Voataizanao toa zaza …

Neny a!
Saikamba hipetraka
Amin’ny toeranao indray andro aho!
Mba ho fanomezana
Ho anao r’ilay Masoandro,

Dia saika hoe efaiko
Ny andraikitrao rehetra.
Ny adidy sy tigetra,
Kanefa dia tsy haiko,
Tsy vitako , tsy to…
Goavana tokoa
Ny andraikitrao ry Neny.
Mora ny miteny
Fa sarotra ny asa.
Tsy haiko ny an’ny hafa.

Mifona re ry Neny a!
Aleo ataonao ihany
Ny asanao rehetra.
‘Zay tsy vitanao anio
Tohizanao rahampitso
Sy ambadiky ny ampitso
Sy ho mandra-pahafaty.

MIARANTSOA ANICET
--------
Rohy:
Sokajy : Fety
2388 0
Hevitra mandeha
fexsam ( 04/07/2012 14:44)
tsar be mints,
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0148