Mahagaga fa (njaf)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Mahagaga fa
zary lasa nofy tsy afaka eto imasoko
izato endrikao
zary hirahira miritsoka ato anatiko
ilay fiteninao
zary tsinam-bolana tsy afaka amin'ny aliko
ny fitsikinao
masoandro mibaliaka manazava ny androko
ireo fijerinao
fa ny tena tsy afako ...
... dia lasa sarobidy sy tsy afaka ato anatiko
ny hitia anao
fa TIAKO LOATRA IANAO
--------
Rohy:
Sokajy : Aingam-panahy
1743 0
Hevitra mandeha
Zozoro ( 10/03/2008 22:02)
Tsara tokoa
pato ( 10/04/2008 06:46)
tena ananany tanteraka ny aingam-manahy maha poeta
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : njaf
Nampiditra : njaf
Daty : 05/03/2008 07:20
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0141