ANKAMANTATRA (Njakahery ANDRIAMALALA)
Mbola tsisy niantsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Rindrim-by tsy azo ihoarana,Tsy takamaso ho tazanina,
Ny ambadik'io havoana io,
Mety ho oram-pahavaratra
Ny ao tsy hay hoe mazava,
Na koa maizina mikitroka,
Sa angamba fenomanana ?
Nefa mety koa ho rahona
E! Toa visavisa ihany,
No isainana anizany,
Ny dia ity miroso hatrany,
Fa iny lalana iny mantsy....
Iriko mafy ny ho tody,
Any ambadikin'ny tsy tazako,
Any aho no hamisavisa,
Any aho no hitanisa,
Izany ritsokin'ny fiainako
Ty setrok'afo mihalohalo,
Manakona iny lalako iny,
Tsy zakanao r'izato masoko,
E! Mirotsaka tomany
Tomany tebiteby ve?
Sa alahelo sy toloko ?
Moa ve ratra any anaty ?
Sa ahoana re ry foko ?
Ny lasa mantsy dia baraingo,
Ny ho avy ankamantatra,
Ny dia izao mankany hatrany,
Tsy fantatra hoe hiampita aiza
Fa izay ho any ampitsoko any,
Moa ve mbola ho tomany ?
Fa ahoana loatra re ry tany ?
Ny tena mantsy nofo ihany
Soa ny aina fa voafetra
Dia hatraiza ny fanantenana ?
Angamba....., Ambadikin'ny tsy tazana any,
No voasoritra ho izany
Ny ampitso tsy azonao soritana,
Iny lalana iny miolakolaka,
E, izany ka tena ankamantatra,
Maizina amiko รด ry tany
Njakahery ANDRIAMALALA
(04 Septembre 2023)
--------
Rohy:
Sokajy :
Fiainana
Hametraka hevitra
Midira alohaMomba ny tononkalo
Mpanoratra : Njakahery ANDRIAMALALANampiditra : Njakahery
Daty : 06/10/2024 14:06