EKEKO IZANY (Njakahery ANDRIAMALALA)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
EKEKO IZANY

Izay efa nomenao ahy,
Na ny tsiky na tomany,
Amin-tsaina amam-panahy,
Ray ô, ekeko izany

Na ho sedraiko an-kalahelo,
Na hamelona tomany,
Na ratram-po mamerovero,
Ray ô, ekeko izany

Na ny ritsokin'ny jaly,
Na ho sento sesilany,
Eny na dia maharary,
Ray ô, ekeko izany

Na tsy hahazo izay iriko,
Eny hifaliako hatrany,
Ary tena hitsikiako,
Ray ô, ekeko izany

Na homenao izay mafaitra,
Hiaretako eny ihany,
Omeo hery aho mba haharitra,
Satria tena ekeko izany.

Raha fitsapana ve tsy ho vita,
Inoako fa voafetra izany,
Aza avela hitanisa,
Izay sento sy tomany

F'ianao tsy ho sopatra mihintsy,
F'izay rehetra nomenao,
Hahasoa sy ho tsiky,
Raha hiova fiainam-baovao

Njakahery ANDRIAMALALA
(09 Octobre 2024)
--------
Rohy:
Sokajy : Fiainana
65 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Njakahery ANDRIAMALALA
Nampiditra : Njakahery
Daty : 09/10/2024 04:58
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0175