FITIAVANA IHANY (Njakahery ANDRIAMALALA)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
FITIAVANA IHANY

Raha niaraka aminao aho tsy mila zavatra hafa akory,
Fitia tsy misy tambiny fa ny fonao atolory,
Fitiavana ihany, fo mitempo hatrany,
Izay no fifaliako fa tsy mila ankoatr'izany

Ny tena fifaliako tsy hoe toloranao firavaka,
Tsy izany velively fa ny ahy fitia tena miavaka,
Ny tena fahasambarako tsy hoe omenao volamena,
Tsy izany anie ry tiako, f'ilay foko manantena

Ny tena hany tiako tsy hoe vola aman-karena,
Na koa hoe tapitra vidinao ho ahy avokoa izay eny an-tsena,
E indrisy mantsy fa tena diso ianao malala,
Mbola averiko ihany, fitia ihany no tiako hambara

Tsy ianao ilay misahirana fa ny ahy ny tiako indrindra,
Ny fonao ahy irery tsy amidy tsy afindra,
Ilay isika mifampibitsika amin'ny alina mangina,
Hifampizara teny mamy, hifampizara hafaliana

Ny hany fahasambarako tsy hoe ampiadanina amin'ny zavatra rehetra,
Fa isika miara-miafy, fitia tsy misy fetra,
Fa ny ahy sarobidy ny tena fitiavako

Fa ny zavatra rehetra anie ry tiako handeha hoazy,
Fa ny antsika ny fitia tsy mila atao vazivazy,
Fa ahy irery ianao, marary anao no feriko,
Ny tsikinao no heriko, ny manjo ahy tsy afeniko

Fa izao ny ahy no mba angatahiko,
Ny fonao fotsiny ihany no tena tadiaviko,
Fa ny momba ahy rehetra dia indro omeko anao,
Dia ny vavanao hilaza hoe: "eny tiako ianao"

Njakahery ANDRIAMALALA
(12 Novembre 2022)
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
123 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Njakahery ANDRIAMALALA
Nampiditra : Njakahery
Daty : 20/09/2024 03:27
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0143