HATRAIZA ? (Njakahery ANDRIAMALALA)
Pas encore lu
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
HATRAIZA ? Irony tsiaro nampisento namoha indray ny omaly,
Tena lalina dia lalina raha tsaroana eto androany,
Fo sasatra dia sasatra, fo ory sy toloko,
Izany sentoko mangina, hatraiza ny herinao ry foko?
Ny omaly ravoravo, feno hery feno tsiky,
Moa nanjavona nahoana? tsy hita intsony indrisy,
Sarisary ao antsaina, embonembony eny sisa,
Tsiarotsiaro manirery, sentosento visavisa
Mazàna izay niseho toa ratra avokoa,
Ny rehetra izay kinasa tsy mba nisy nahasoa,
Ao anaty fijaliana no odiana toa mitsiky,
Fa afenina any am-po ilay endrika toa kivy.
Fa moa va re ry foko mba hatraiza ny herinao ?
Raha toa ka sentolava no hiainana eto izao,
Moa ianao ve mbola hijoro, hisedra ireo tomany?
Sa hiondrika ho resy raha mbola hitohy izany?
Njakahery ANDRIAMALALA
(15 Août 2026)
--------
Lien:
Catégorie :
Fiainana
