HETAHETA (Njakahery ANDRIAMALALA)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
HETAHETA

Ray ô, tsisy miafina aminao ireo tomany sy alahelo,
Ny ratra izay mavesatra nanaloka ny omaly sy mangeza ahy anio
Toa tsy vitako fafana na nifandimby ny fotoana, fa mbola injao mamerovero
Izato fitarainako efa ela izao no velona ka miantso hoe ampio

Ianao ilay mahita , izay tsy azo anafenana,
Fa iny tsikiko iny, tsy hoe avy am-po akory fa tena indrisy mantsy,
Zary endrika ivelany, manarona alahelo sy ireo fanaintainana
Fa ny any anaty any, mangotsika tokoa, toa hoe voatsindron’antsy

Izay lalam-piainana rehetra efa nasehonao sy efa nodiaviko
No tena nahitako ny mangidy sy ny mamy, alahelo sy toloko
Nanefy ahy hijoro, tsy hianjera na ho lavo teo amin’ny androm-piainako
Ka injao mijoro foana ny herin-tsaina kely ananana, sy tsaroana mba nitombo

Izany rehetra izany no tsapako eto androany, ka anio mba hivavaka
hisaotra noho ireo lasa, mankasitraka noho ny anio
Ny tena tsara mantsy, ny mahay mankasitraka fa tsy misy tongalafatra
F’izay mamafy rivotra no hinjinja izay nafafiny ka hinjinja ny tadio

Amin’ny hoavy rehetra izay mbola hosedraiko,
Mangataka aminao hoe tanteraho ny faniriako,
Fa hany zavatra mafonja sy tena antenaiko
Nefa hataka ihany fa tsy hoe izay iriko

Izay tsy mbola nosedraiko ka miandry ahy rahampitso,
Ampianaro ahy anio raha sitrakao ho lalam-piainako
Hahaizako manefy, hahaizako miomana, hahaizako mitsinjo
Sao izany indray mantsy, no hamoha ny alaheloko, sy hamoha ny fitarainako

Izao fiainako eto izao tsy haharitra akory fa mandalo fotsiny ihany
Fa raha higadona ny ora, ka hody ny fanahiko izay sasatra dia sasatra
Ka hijanona hatreo ireo nofinofy niriko teto an-tany
Angatahiko aminao ny hivantanako any mba ho ilay fiainan-tsambatra
--------
Rohy:
Sokajy : Vavaka
19 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Njakahery ANDRIAMALALA
Nampiditra : Njakahery
Daty : 22/02/2026 10:09
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0199