IZAO SORATRA IZAO (Njakahery ANDRIAMALALA)
Mbola tsisy niantsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
IZAO SORATRA IZAO Vavolom-belona tokoa,
Fa ny asa soratra dia kanto,
Mitahiry lovasoa,
Taona lasa aman-jato
Dia porofo hita maso,
Fa ny poeta dia mikalo,
Mandrary soratra tsy miato,
Ho amboaran-tonokalo
Dia ainga izay nanosika,
Fa misy hafatra hampitaina,
Ny any anaty toran-kovitra,
Fa ny tany mitaraina
Dia basy arangaranga,
Koa miala tsiny miala fondro,
Tsy hatao resa- dava,
Miomana izay voatondro
Dia bitsika any anaty,
Hitahiry ireo tsiaro,
Tsy ho rava na ho maty,
Na ireo izay nampimalo
No angady sy ny harona,
Ho anao izay hiatrik'ady,
Hitaiza koa ho olom-banona,
Amin'izay rehetra ho avy
Hanalanao sorisory,
Raha tojo adin-tsaina,
Hampitony ireo izay ory
Sy izay rehetra mitaraina
Mety ho ny fiainanao,
No izato tantarainy,
Koa lesona no andeha alao,
F'izay no tanjona tratrariny
Koa aza avelanao hangina,
Ry poeta namako isany,
Fa sorato ampitsikiana,
Dia tantarao izay zava-bitany
Njakahery ANDRIAMALALA
(11 Octobre 2024)
--------
Rohy:
Sokajy :
Aingam-panahy
Hametraka hevitra
Midira alohaMomba ny tononkalo
Mpanoratra : Njakahery ANDRIAMALALANampiditra : Njakahery
Daty : 11/10/2024 20:16