NOFY HAFA (Njakahery ANDRIAMALALA)
Mbola tsisy niantsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
NOFY HAFA Nasehonao daholo irony famantarana,
Fiteny, fihetsika narahan-tsikitsiky,
Nitsiry am-ponao tao ny hanantena fahasambarana,
Ka na inona aza sakana, teo foana ianao tsy kivy.
Natombokao mihintsy toy irony sangisangy,
Ny ahy sarisary, ary tena vazivazy,
Ny any anatinao dia tena niangavy,
Nodiako toa tsy hita ka indro sasa-niandry
Tsy hoe tsy tsapako akory fa tena haiko ireny,
Fahetsika toa teny manam-bara ny ao am-po,
Nasehonao mazava, naverinao ombieny,
Nikipiako teny ihany, ka zava-poana avokoa
Ngamba...anio aho no misaina izay nasehonao,
Angamba aho tsy hahita intsony mihoatra noho izany,
Indray indray aho malahelo, tena malahelo anao,
Ary ho tsaroako ireny na hatrany am-parany any.
Irony tsikinao, tsy nisy tambiny akory,
Ilay fihetsikao toa manambara teny,
Ngamba izay no voalahatrin'ny Ray izay ao ambony,
Ilay fanantenana no indro lasa fery.
Tsy hoe tsy haiko akory na tsy hitako ireny,
Fa ilay tao am-poko no efa nofy hafa,
Toa tsy mba nety hisokatra ho anao velively,
Izay nokasaiko hatsangana, tsy ela akory dia voafafa.
Ifonana eto anio raha nanao tsinotsinona,
Ny ezakao rehetra nikendry hananga-ndapa,
Aza kivy na dia ory fa ny ho avy indray banjinina,
Aza avela ho nofinofy irony tsara izay kinasa,
Fa ny ato am-poko toa tsy mety fa efa nofy hafa.
Njakahery ANDRIAMALALA
08 Septembre 2026
--------
Rohy:
Sokajy :
Fitiavana
Hametraka hevitra
Midira alohaMomba ny tononkalo
Mpanoratra : Njakahery ANDRIAMALALANampiditra : Njakahery
Daty : 10/09/2026 23:25
