NY ANIO (Njakahery ANDRIAMALALA)
Pas encore lu
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
NY ANIO Ny androany ho vita ihany,
Fa ny ampitso mistery,
Na ho hafaliana na tomany,
Na ho sorisory na ho fery,
Ny anio tsy mampilaza,
Ny ho fizotrin'ny maraina,
Ny alahelo ve ho rava?
Sa mbola hikika hitaraina?
Itsikio aloha ny anio,
Eny mantsy na toloko,
Izao koa no tadidio,
Ny nofo anie ka mora miofo
Eny lavo ianao ny androany,
Toa tsy ho afaka intsony,
Dia tafalatsaka tomany,
Ary tsy mba mety tony
Fa kosa anefa ny anio,
Raha hafaliana sesilany,
Mety hiova koa izy io
Raha any ampitso ho tomany
Fa raha ory kosa ianao androany,
Manàna koa fanantenana,
Fa ny ampitso mety hifaly,
Miovaova anie ny fiainana
Ny hafatra izay tiana hambara,
Tsora kely fotsiny ihany,
Manaova re izay tsara,
Mba hivaly any aoriana any.
Koa tandremo ny famindra,
Sao hanody ny ampitso,
Fa ny tena tsara indrindra,
Manao ny marina tsy ho diso.
Njakahery ANDRIAMALALA
(18 Janvier 2026, 5h: 33')
--------
Lien:
Catégorie :
Fiainana
