RAHA MBOLA VELON'AINA (Njakahery ANDRIAMALALA)
Pas encore lu
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
RAHA MBOLA VELON'AINA,Araraoty ny mitsiky isan'andro isa-maraina,
Ndrao dia ho tratran'ny masoandro rehefa mody ka hilentika,
Ilay tarehy tena kivy sy ilay miferin'aina,
Mizara mba mitsiky, ary tena atao matetika.
Fa na misy alahelo izay mandratra ny ao am-po,
Io miserana eny ihany fa itsikio aloha ny anio,
Moa koa tsy ianao irery fa efa maro no efa voa,
Mihetraketraka ny tany, izany foana tadidio.
Fa tandremo kosa anefa sao ho tsiky izay manarona,
Fiatsaram-belatsihy, lolom-po sy fikasana,
Hamotika ny hafa, io no toetra izay tsy Vanona,
Ataovy tsiky avy ao am-po, fa io fahasalamana.
Njakahery ANDRIAMALALA ✍️
14 Mars 2025 ( 12H 05)
--------
Lien:
Catégorie :
Fiainana
