RAHA SENDRA (Njakahery ANDRIAMALALA)
Mbola tsisy niantsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
RAHA SENDRARaha sendra manirery,
Any an-tany lavitra any,
Izaho mantsy anao irery,
Ataovy anaty saina izany
Raha sendra anao ka manina,
Ka te-hahita izato tavako,
Alaivo sary ao an-tsaina,
Dia ho tony ianao rahavako
Raha sendra anao ka mba nisaina,
Hoe niova ve izato foko ?
Ny fetra anie hoy aho ka ny aina,
Sao izany no hanananao toloko
Raha sendra anao ka mba nahatsiaro,
Ilay tsikitsiky tamin'izany,
Ianao anie ka tsy afangaro,
Ny foko anao irery ihany
Raha sendra anao ka mba nanaimbona,
Ny ho ampitson-tsika roa,
Raha izao rehetra izao tsy mbola ho levona,
Dia ho tanteraka tokoa
Raha sendra anao ka miahiahy,
Sao mantsy aho hoe hania,
Tonio ny saina amam-panahy,
Dia hoe aho hoe: MATOKIA
Raha sendra anao ka te-hitoetra,
Anilako eto tsisy fetra,
Aza kivy oa ry malala,
Fantatrao ny tiako hambara
Raha sendra ka tomany,
Na koa bobok'alahelo,
Izaho mantsy mbola eto ihany,
Izany foana no hevero
Koa mbola averiko ihany,
Tsy mba reraka aho satria,
Ny ahy izao no mba teny mamy,
Hoy aho hoe : "MATOKIA"
Njakahery ANDRIAMALALA
( 11 Novembre 2022)
--------
Rohy:
Sokajy :
Fitiavana
Hametraka hevitra
Midira alohaMomba ny tononkalo
Mpanoratra : Njakahery ANDRIAMALALANampiditra : Njakahery
Daty : 18/09/2024 13:26