RAHOVIANA (Njakahery ANDRIAMALALA)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
RAHOVIANA
Nampianarina namindra,nitrotroina, notantanana
Nampianarina niteny, nisakafo,nilalao
Ampifalina raha tomany, raha malahelo ampitsikina
Omen-tsakafo raha noana, sasana raha maloto

Nokapohina raha maditra
Indray koa voateny mafy
Dia indray koa misaina hoe:
Angamba izaho tsy tiany ?

Kanjo indro tena hafatra
Noheveriko ho tsy fitiavana
Hay fa teny mifono anatra
Tsapako ihany izany

Ny fotoana mihazakazaka
Ny tena mitombo hatrany
Fa indrisy ry Dada a,
Kanjo ry Neny
Fa mbola vesatrareo
Raha ny fisiako

Mba rahoviana aho ry Dada no mba hamaly fitia
Mba rahoviana aho ry Neny no mba hanome izay ilainao
Fa toa nofinofy hatrany
Eny e! angamba any ho any

Mba rahoviana aho ry Dada
No hanao izay hahafaly anao
Mba rahoviana aho ry Neny
No mba hamaha ny olan-tsika

Zary vesatra eto fotsiny
Raha izany fisiako
Na ny sakafo anio aza
Tsy mba hitako akory

Fa mba rahoviana aho ry Dada
No mba ho reharehanareo
Hanohana amin’ny sarotra
Hiara-hitondra izay tsy zaka

Mba rahoviana aho ry Dada
No mba hitarainanareo
Raha sendra izay mahory
Raha sendra izay maharevo




Tsapako ry Dada a,
Reko ry Neny a,
Ny any anatinareo any
Na tsy reko mitoloko

Fa izaho mpitazam-potsiny ihany
Raha sendra i Neny mitomany
Raha I Dada malahelo
Ny any anaty mamerovero

Saingy na eo aza moa izany
Izaho tianareo hatrany
Ka manarina ahy tsy ho lavo
Dada sy Neny ô, tsapako tokoa

Tsapako ry Neny a,
Rehefa ianao mibitsika iny
Ô ry zanako ô, mba fantatrao ve?
Ny fifaliany Neny?
Ny fahasambarany Dada?

Satria tokoa moa izaho e,
Tsy avelanareo hitomany
Tsy tianareo haratra
E!hafa ihany mantsy
I Dada sy i Neny

Dia tsapako any ho any
Fa mbola misy fanantenana
Any anatiko any
Matoa aho mizoro hatrany

Fa indray andro any aho ry Neny
Mbola ho reharehanareo
Fa ny fisiako aloha hatreto
Mangeza toy ny entana

Fa ny ahy ny teny farany
Mankasitraka ry Dada a,
Misaotra ry Neny
Fa tsy misy toa anareo
Raha mbola eto an-tany

Njakahery ANDRIAMALALA
--------
Rohy:
Sokajy : Fiainana
100 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Njakahery ANDRIAMALALA
Nampiditra : Njakahery
Daty : 20/09/2024 17:45
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0139