Ry Fahatsiarovako (Njarakelly)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Volon'andro tahaka izao
No tena mahamanina ahy anao
Dia iny toa hilatsaka iny ny orana
Ny foko kely toa mangoragorana
Dia hiara hilatsaka amin'io orana io ny ranomasoko
Ranomason'alahelo, ranomasom-pahatsiarovana
Fahatsiarovana izay mamy toa tantely
Tsy ho haiko adinona velively
Fa aiza ianao rahavako,
Moa hadinonao ny fisiako,
Ny fitiavako?
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
1515 0
Hevitra mandeha
hasiniony ( 10/04/2013 17:49)
Eto
… Eto ampitan’hantsana eto
… safo-morona ny vetso
Ny rivotra avy nanatopa
ny eritreritra hisavika
ny eny ambony rahona eny
Hikaroka ny sentonao, 'zay no tena faniriako

Ianao
…teny ampitan’hantsana eny
… nanosaka ny hetaheta
hanondrahana ny afo
nandoro alohan’ny hirehetany
Izaho…na dia mba nikasa hamindro
Ny hantsana tsy taka-bikina
…naleoko nody sasak’alina
nanarak’aloky ny haizina

Androany
… nosarihan’ny onja miafina

nisingana avy taminao
ka tongatonga foana etoana
Eto ampitan’hantsana eto
…Safo-morona ny vetso
Handrafitra amin’ny fofon’aiko
tetezan-drivotra hiampitako
fa tsy laitrako ny eto
eto ampitan’hantsana eto

Nefa aiza akory ianao?
…Tsy intsony ampitan’hantsana eny.
"Ka indro izaho sy ny fitiavako,
manainga hitady anao hatraiza"
Njarakelly ( 12/04/2013 12:34)
Hasiniony //tsara!!!!!
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Njarakelly
Nampiditra : Njarakelly
Daty : 25/01/2013 10:44
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0198