NY FANEVAKO (Riantsoa)
Mbola tsisy niantsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Ny fanevako, mitsangana, mazava sy mitaratratoy ny tara-masoandro izay miritsoka maharitra
dia mivelatra fehizay noho'ny rivo-pahavaratra
izay mitsoka, mampiseho ilay endriny finaritra
Mihamafy hatrany anefa ilay rivotra mitsoka,
ny fanevako no indro miova tsy ny nohenjanina;
dia mivonkina ny tanako manamafy ny tsatòka,
izay tataovin-draho-mainty manamaizina ny alina.
Tsy esorina izy akory na oviana na oviana,
na dia tonga aza ny aizina arahin-javon-tany;
ka tsy misy hita intsony ny aloha sy aoriana,
ny fanevako, mitsangana, mivelatra eo ihany.
Teny anankiray monja izay no voasoratra ao;
dia ny teny hoe: "FITIAVANA", teny kelin'ilay sainako.
Nefa io faneva io ilay ambarako aminao
fa mandrindra ny ataoko sy isosan'ny androm-piainako!
RIANTSOA (21/09/2007)
--------
Rohy:
Mpakafy:
rainstorm