Fieremana (Ny Ala Zohimbato)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Mba aoka re izay izato fieremana
Ity tsy mahatombona, tsy manaiky lembenana
Manitanita-tsaina, mikaroka tsy miato
Mitady ny tsy takatry ny saina tatoato

Ity filan'ny nofo re, mba asio ihany fetrany
Mianarà aloha mba mionona sy mamehy amin'ny hetrany
Fa mampanao ny tsy fanao sy mampivarotra fanahy
Sao ampilatsaka an-kady ka mitrakà dia mibebaha

Ity mitsiriritra diso tafaohatra
No manaitra ireo filanà, ka iny mampitroatra
Ireto zavatra tsy an-tena, ireo izay an'ny hafa
Tandremo ihany ny famindra fa ambonin'ny sahafa

Koa mahaiza aloha mionona amin'izay efa anjara
Vao mitsiry ny maraina, mbola ho lava ny tantara
Ary ataovy lavitry ny saina izato fieremana
Fa io olana io ivaha, mandalo sy miserana

Ny Ala Zohimbato
--------
Rohy:
19 1
Mpakafy: Zohimbato
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.1163