Ny LASA TSY HO ADINO ( TSY IO NO LOHATENINY ) (NY Andri-Fara)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
ANGAMBA TSY HO RITRA

Fony mbola nisy fihavanana
Nanjaka mihitsy ny naha mpinamana .
Saingy ankehitriny , foana izany !
Fa ny vola no manjaka lavinao ve izany ?

Misy ny tsy manana fadiranovana aoka izany
Misadrahatra amin’ny fomba maro samihafa .
Tsy afaka mankaiza , tsy afaka mivoatra izy ireny ;
Na hitroatra aza voafatotry ny hafa .

Dia iny ialahy mitady fanohanana tsy misy fetra
Hanampiana ny tsy misy , hividianana sakafo .
Misy ny manolotra tsy lavina tanteraka ;
Miaro latsalatsa any ambadika ivoho .

Raha izay vidim-panafody aloha tsy ho hisy izany
Aza manantena fihavanana , raha maty moa vangiana ,
Raha mba fahasoavana indray ; eo ianao rahavako , izay no tiany ;
Fa samy maka ho azy …Mamindra fahantrana .

Tsy misy omeko tsiny ireo manao izany na iza na iza
Angamba tsy ho ritra izany ranomasom-pahoriako .
Izay no anjara ziogako eto an-tany na tsy zakako aza ;
Tsy hanafoana ny mpanaraby sy mpanenjika ny zoko .

Tsy mila anao hamendrofendro na hanampy ahy intsony
Tsy mila izany aho , tsy mila anao akory , ampy izay .
Isaorako izay vita , fa ny ampitso aleo hatrehako ;
Na ny ho avy izay tsy mbola fantatro aza ekeko ka zakaiko .


Ampandrianomby
04 Desambra 2024 Ny Andri-Fara
--------
Rohy:
Sokajy : Alahelo
63 1
Mpakafy: SANAKERIB
Hevitra mandeha
SANAKERIB ( 04/12/2024 07:16)
ANGAMBA TSY HO RITRA
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.017