IANAO SY IZAHO ( Album Aina Nafindra ) (NY Andri-Fara)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
IANAO SY IZAHO

Matoa nisy izaho
Dia noho ny anarako...
Tsy niala teo am-bavako ;
Nikalo ny vesatry ny fahoriako .

Dia indro izaho
Teny antsefantsefan'ny alokin'ny nofy !
Nikaroka ny foko ;
Tsy fantatro na lasanao

Ary izao tontolo izao
Ny tany sy ny lanitra .
Niezaka nitady ahy sy anao ;
Sasatrin'ny nifampitady .

Ianao sy Izaho
Variana tamin'ny ady!
Ianao tsy tia ....,
Izaho tsy tsy nankahala .


31.12.2005 Ny Andri - Fara
--------
Rohy:
Sokajy : Alahelo
60 1
Mpakafy: SANAKERIB
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0146