NOHO IZY ( ALBUM AINA NAFINDRA ) (NY Andri-Fara)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
NOHO IZY

Angamba andro iray
Tsy misy fiafarana .
No angatahiny ho an'ny namany ;
Matoa izy toa tsy rototra .

Mandray izay teny reny
Tsy mamakafaka akory .
Mamoaka didy jadona ;
Hanamelohana ny namana .

Dia indro 'lay sakaiza
Mihenahena tsy misy fiafarana .
Mirenireny lasa adala ;
Eran'ny tànana .

Fenofeno tsy eran'ny aina
Manangasanga ny ao am-pony ;
Ny alahelo sy hatezerana...,
Nefa lasa tsy niteny...


Ankatso - Ambohipo : 15.12.05 Ny Andri-Fara
--------
Rohy:
50 1
Mpakafy: SANAKERIB
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0148